<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 He ! tianay ny monina eto,
 Fa maminay ny valanao,
 Tsy tianay, fa mampisento,
 Ny lavitra ny tranonao,
 He ! tianay ny monina eto,
 Fa maminay ny valanao,
 Tsy tianay, fa mampisento,
 Ny lavitra ny tranonao.

[V2]
 He ! tianay, fa misy aina,
 Ry Tomponay ny valanao !
 Tsy tianay, fa tany maina
 Ny lavitra ny tranonao,
 He ! tianay, ..sns.

[V3]
 Fehezinao, Mpiandry tia,
 Milamina ny valanao ;
 Tsy misy tsy mifankatia
 Ny ondry izay tarihinao,
 He ! tianay, ..sns.

[V4]
 Ny fanimban'ny fahavalo
 Dia lavitra ny valanao ;
 Mitazan-davitra mandalo
 Ny rafinao tsy tia Anao,
 He ! tianay, ..sns.

[V5]
 Ny fototra izay mahatsara
 Ny valanao, ry Tomponay !
 Dia Hianao Mpiandry tsara
 No miara-monina aminay.
 He ! tianay, ..sns.</lyrics>
<title>He! tianay ny monina eto FFPM269</title>
<hymn_number>269</hymn_number>
</song>